Miainga amin'ny fampianaran'ny fiangonana dia misy ny mitady ny fiainam-panahy ohatra ny fikambanana masina na ny relijiozy. Iainana ao anatin'ny fikambanana ny aim-panahy : fitiavam-bavaka, fandalinana ny finoana. Ny ara-nofo kosa dia ny fiahiana manokana ireo sahirana amin'ny alalan'ny vaomiera sosialy. Katesizy momba ny fanehoana harem-panahy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Alakamisy 21 oktobra 2021 — Herinandro fahasivy amby roapolo mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 49-53

♦ Mitokona ny mpampianatra sy ny mpianatra any amin'ny IST Antsiranana. Tsy nahazoam-baliny ny fitakiana efa natao teo aloha, hoy ny mpampianatra... ♦ Nahazo famatsiam-bola 15 tapitrisa dolara avy amin'ny Antenimieram-pirenena Sinoa ny Antenimieram-pirenena Malagasy. Natao sonia androany, ny fifanaraham-piaraha-miasa momba izany... ♦ Nambara tamin'ny fomba ôfisialy, fa voafidy ho Filohan'ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara ny kandida tokana, tamin'ny fifidianana ny 16 oktobra lasa teo, Rasoloarison Monica...

♦ Tsy hihemotra amin'ny fitokonana izay ho tanterahiny manomboka rahampitso ny sendikàn'ny mpiasan'ny fadintseranana na ny Sempidou... ♦ Tsy ho afa-bela ireo mpiasam-panjakàna sy ireo olom-boatendry miray tendro amin'ireo mpandroba harem-pirenena an-tsokosoko... ♦ Efa miteraka ady hevitra be eo amin'ireo samy solombavambahoaka sahady ny momba ilay tolo-dalana ITG... 

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...