♦ Hafainganina ny asa rehetra fampandrosoana ny tanan-dehibe, ho an'ny tontolo tsy misy entona "carbone" manimba ny tontolo iainana, izay no lohahevitry ny andro eran-tany ho an'ny toeram-ponenana, anio... ♦ Ho atao toeram-pitsangatsanganana amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny torapasik'i Libanona-Tolagnaro, natomboka tamin'ny sabotsy ny asa... ♦ Tokandrano 75 000 avy amin'ny distrika 13 no misitraka ny Vatsin'ankohonana izay tanterahan'ny FID...
Avelao ny Fanahy Masina hiasa ao anatin'ny fahanginana. Antsoy ny Fanahy Masina hanazava sy hanoro mba hahaizana mihaino ny tenin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fahaizana mihaino antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alatsinainy 4 oktobra 2021 — Herinandro fahafito amby roapolo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 25-37
Mila mahay mangina sy mahay mihaino rehefa hamantatra ny antson'Andriamanitra. Maka fotoana sy toerana mangina hahafahana mihaino an'Andriamanitra, ary indrindra hahafahan'Andriamanitra miresaka aminao. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco