Fiarahan-dia ny atao hoe sinaody, iantsoana ny Papa ny eveka solo-tenan'ny Fivondronam-ben'ny Eveka maneran-tany, handinika sy hanolo-tsaina ny Ray masina amin'ny loha-hevitra lehibe iray ao amin'ny fiainan'ny Eglizy. Sinaody faha-16 no hotanterahina amin'ity 2021-2023 ity. Ny tanjona dia ny hamoahana sori-dalana iombonana sahaza ny vaninandro iainantsika fa mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra. Fanazavana entin'i P. Faliarilala Thierry Pascal.
Indraindray isika entanim-po manoloana ny antso, misy fotoana kamo na matahotra dia mitady fialan-tsiny, indraindray sady tsy mahafoy ny rendrarendra nefa koa te hanaraka an'i Jesoa. Manoloana ireo dia lasa miroroa saina isika. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Alahady 28 novambra 2021 — Alahady voalohan'ny amin'ny Fiavian'ny Tompo — Asehoy anay, ry Tompo ny famindram-ponao! ary omeo anay ny famonjena avy aminao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 25-28. 34-36
♦ Takian'ny banky iraisam-pirenena ny hameranan'i Madagasikara ny ampaham-bola tsy mazava ny fampiasana azy tamin'ny tetik'asa PAGOSE, 2,5 Miliara Ariary, haloa mialohan'ny 03 dsambra izao... ♦ Mitaky ny hanajàna ny lalàna amin'ny fanombohan'ny fanavaozana ny lisim-pifidianana ny KMF Cnoe... ♦ Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny rano manondraka ny lemaka PC23, Distrika Amparafaravola. Vita ny toho-drano Sahabe, Velaran-tany 10 000 Ha ao amin'ny kaominina Ambodirano no hisitraka izany...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco