♦ Hatomboka amin'ity taona ity ny tetik'asa lehibe hitarihana rano amin'nu pipeline goavana, miala any Efao, mandalo any Amboasary Atsimo hatrany Ambovombe. Hamaha ny olan'ny rano izay nahazo ny mponina tany atsimo hatramin'izay... ♦ Ankizy maherin'ny roa alina sy iray hetsy isan-taona any amin'ny faritra Androy sy Anosy manomboka izao no hisitraka fanampin-tsakafo mitondra hery sy tanjaka...

♦ Hosantarina ao amin'ny Distrika Befeta amin'ny 3 oktobra 2021 ny fankalazana ny faha-150 taona nitoriana ny finoana tao Fianarantsoa... ♦ Hosokafana ampahibemaso ny 3 oktobra 2021 ny Sinaody faha-7 ny Arsidiosezin'Antsiranana... ♦ Hotanterahina ao Roma ny 22 hatramin'ny 26 jona 2022 ny fihaonam-be faha-10 ho an'ny fianakaviana...

Mihamahazo laka amin'ny famokarana eny ambanivohitra ny famokarana biolojika. Maro ny tantsha efa misehatra amin'izany. Tantsaha iray Andriamatoa Ranaivoson Fleuris avy eto amin'ny Faritra Analamanga no nahazo tombontsoa amin'izay famokarana biolojika izay, dia ny famokarana tsy mampiasa taharo simika.

♦ Nodoran'ny fokonolona, tsy faly tamin'ny tifitra nataon'ny zandary, ka nahafaty lehilahy iray tao amin'ny Kaominina Antanetibe Anativolo, Distrikan'Anjozorobe ato amin'ny Faritra Analamanga, ny biraon'ny zandary tany an-toerana... ♦ Toherin'ny mpianatra monina eny amin'ny Cité Ravitoto ny fikasana hanangana toeram-pitsaboana CSB2, tsy lavitra ny faritra misy azy ireo. Nanao hetsika nanehoana izany izy ireo omaly ary mbola nitohy tamin'ity androany ity...

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...