Ny tontolo iainana dia fanomezana avy amin'Andriamanitra ho antsika, noho izany dia tokony : hajaina sy kajiana, toy ny zava-maniry sy biby. Manoloana ny fanjifàna dia mamporisika ny olona hanao famokarana. Ny mahay miaina dia mahay mivelona, mamelona. Manana anjara ny tsirairay toy ny fahaizana mampiasa ny rivotra, manasongadina ny fifanajàna. Fadaharana " fibeazana miaina sy mitia".

Misy fotoana i Jesoa mihitsy no miantso ka milaza amintsika hoe "manaraha ahy", saingy isika indray no be fialan-tsiny ka mametraka elanelana amin'ny endri-javatra maro. Soa fa mbola eo hatrany Jesoa manitsy dia antsika. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Zoma 26 novambra 2021 — Herinandro fahefatra amby telopolo mandavantaona — Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 29-33

♦ Mitaky ny hanitsiana ny karaman'ny mpiasa tsy ankanavaka ny Firaisan-kinan'ny Sendika eto Madagasikarana ny SSM... ♦ Miantso ny fanjakana hanao sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena hanafoanana ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy ireo sendika ao amin'ny Industrial Global eto Madagasikara... ♦ Tanan-dehibe manerana ny nosy androany, no samy nandray ilay foara ara-toe-karena sy ara-barotry ny Faritra 23 eto Madagasikara...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...