♦ Kely finoana amin'ny ahazoan'i Madagasikara ny nosy malagasy manodidina ny mpanao politika Ralison Roger taorian'ny lahatenin'ny filoham-pirenena, omaly tany New York. Tsy maintsy hiafara amin'ny fiaraha-mintantana ny zava-misy... ♦ Tsy nanafina ny ahiahiny amin'ny mety hahafaty ny sehatry ny fizahan-tany eto amintsika ny mpandraharaha amin'izany raha toa ka tsy mbola hisokatra ny sisin-tanin'i Madagasikara... ♦ Manomboka mamerina ireo sehatr'asany teo aloha indrindra ireo kaompania misehatra amin'ny dihy eto Madagasikara. isan'izany ny kaompania Zarasoa sy ny sekoly Zarasoa...
♦ Noresahan'ny filoha Malagasy Andry Rajoelina teo amin'ny fivorian'ny firenena mikambana ny momba ny fitakiana hamerenana amin'i Madagasikara ny nosy manodidina "Iles Eparses"... ♦ Manameloka ny tranga famonoan'olona tany amin'ny kaominina Marovitsika ny CNIDH. Tranga nahafaty olona 45 vokatry ny fifandonana teo amin'ny fokonolona sy ny dahalo nanafika azy ireo... ♦ Am-pandaminana ny fandraisana ireo mpianatra vao afaka bakalorea farany teo ny Oniversiten'Antananarivo. Hisy fivoriana manokana handinihina ny momba izany hoy ny Pr Ravelomanana Mamy...
Nanamafy ny antoka azon'i Maria ny tenin'ny anjely hoe : " fa sitrak'Andriamanitra ianao". Eo imason'Andriamanitra dia tsy misy tsiny, lavorary i Maria virijiny. Tsy sitrak'Andriamanitra ho tratry ny fahalovana i Maria virijiny. Tsy azo dinganina amin'ny tantaram-pamonjena i Maria virijiny. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Namoaka fanambarana manameloka ny tranga famonoana olona tany amin'ny kaominina Marovitsika ny CNIDH... ♦ Mbola eo am-pandaminana ny fandraisana ireo mpianatra vao afaka bakalorea farany teo ny Oniversiten'Antananarivo... ♦ Ho mora noho ny saran'ny Taxi ny saran'ny "téléphérique" kasaina hapetraka ao an-drenivohitra...
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco