♦ Ampiantsoina eny amin'ny Senat rahampitso ireo olom-panjakàna ambony teo aloha miisa 13, nisy nitory teny amin'ny HCJ... ♦ Hentitra ny FFKM nampahafantatra tamin'ny hafatra, ho famaranana ny komity faha-43 sy ny zaikabe faha-9-ny FFKM teny Ambohipo, omaly, nilaza fa maro ny asa miandry ny mpitondra... ♦ Andrasana ny vokatry ny fanadihadiana ataon'ny Ministère de la Santé Publique, ny amin'ny nahafaty ilay zazalahy 10 taona, voalaza namoy ny ainy vokatry ny fihinanana odin-kankana tany an-tsekoly...

Entanin'ny Papa François ny Eglizy maneran-tany mba handray anjara amin'ny fanatanterahana ny sinaodin'ny eveka 2021-2023 araka ny lohahevitra hoe: "Mba ho Eglizy miara-dia : fiombonana, fandraisana anjara, asa fanirahana".

Tsy mora ny mihaino sy mamantatra ny antso manokana hiantson'Andriamanitra antsika, hizorana mankany amin'ny fahamasinana ka tsy afaka ny hitompo teny ho fantatra. Mba tsy hivoana dia ilaina mandrakariva ny fisian'ny hafa hanampy antsika hamantatra ny tokony hatao. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

♦ Mbola ny karazan'ny tsimok'aretina "variant alfa" sy "Béta" ihany aloha no misy eto Madagasikara hatreto. Mandefa santionan'ireo singa hotoliana any ivelany hatrany isika... ♦ Hanatanteraka Kongresy nasionalin'ny mpihary ny antoko Monima amin'ny volana desambara, ho enti-manarina ny tsy fandriampahalemana eny ambanivohitra... ♦ Rahampitso no handinika ny volavolan-dalàna mifehy ny LFI 2022, ireo loholon'i Madagasikara, taorian'ny nandanian'ny solombavambahoaka izany tamin'ny talata hariva...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...