Alatsinainy 1 novambra 2021 — Fetin'ny Olomasina rehetra — Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana Anareo Aho, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 1-12a

Manana anjara toerana lehibe amin'ny famolavolana ny tanora hanana hazon-damosina ny fanabeazana. Fanabeazana izay natao hanoro ny lalana izorana sy ny lalam-pitondran-tena fa tsy hitsikera fotsiny ny voka-dratsin'ny zava-bita. Jesoa nanoro antsika ny lalana ahitam-pahombiazana hahazoana ny hafaliana sy ny fanantenana amin'ny ho avy. Katesizy momba ny fananana hazon-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

Alahady 31 oktobra 2021 — Alahady faha iraika amby telopolo mandavantaona — Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 28b-34

♦ Tsy eken'ny hery velon'ny fiangonana katolika Diosezy Fianarantsoa ny tolo-dalàna momba ny vohoka ITG, aroso dinihina eny amin'ny antenimieram-pirenena... ♦ Mankasitraka ny fiverenan'ny ministeran'ny jono ho ministera mahaleo tena indray ny mpisehatra amin'ny jono eto Madagasikara... ♦ Hifandimby ho tapaka isaky ny adiny iray amin'ny faritra samihafa ny herinaratra ao an-drenivohitra sy ny manodidina manomboka anio amin'ny 5ora hariva hatramin'ny 9ora alina, ho fanamboarana an'Andekaleka...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...