♦ Mitaky fandraisana andraikitra ao amin'ny Fiangonana ny fandraisana ny sakramentan'ny Fankaherezana, hoy i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Morombe... ♦ Mahagaga ny famindrampon'Andriamanitra, hoy i Mgr Fulgence Rabemahafaly, Arsevekan'i Fianarantsoa, tamin'ny Sorona Masina nankalazana ny taom-bolavotsin'ireo pretra dimy mirahalahy... ♦ Nanentana ny vahoaka hanao ny vakisiny fanefitra amin'ny Covid-19 ny Papa François...

Mbola manohy ny sehatr'asany hatrany ny Foibe FAFIALA manana ny foiben-toerany eny amin'ny kaominina Ambohimangakely, distrika Antananarivo-Avaradrano. Na teo aza ny fahasahiranana samihafa nolalovana isan'izany ny valan'aretina covid-19, mbola mijoro ary manohana ity Foibe ity ny mpiara-miombon'antoka samihafa... 

♦ Mila lalana mafy sy mateza ary manaraka ny fenitra isika, mba tsy hanamboatra lalana foana isan-taona, hoy ny Filoham-pirenena androany maraina, raha nijery ny fanamboarana ny lalam-pirenena faharoa, any Toamasina... ♦ Nampanantena fanafainganana fomba fiasa amin'ny fanamboarana ireo lalam-pirenena, izay tena avokavoky ny fampandrosoana ny firenena, ny Ministra vaovao misahana ny asa vaventy...

Ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco dia mampanao fifaninanana ho an'ny tanora maneran-tany, manan-talenta amin'ny fanatontosana horonan-tsarimihetsika. "Don Bosco Global Youth Film Festival" (DBGYFF) no anaran'ny fifaninanana, ary amin'ity taona ity dia mifototra amin'ny lohahevitra hoe "Onenan'ny fanantenana".

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...