♦ Miisa 32 ny mpikambana anatin'ny governemanta vaovao tarihan'Andriamatoa Ntsay Christian, nampahafantarina tamin'ny fomba ôfisialy omaly hariva... ♦ Contrat-Programme-Résultat, ireo no fepetra mifehy ny mpikambana anatin'ny governemanta hoy ny Filoha Andry Rajoelina... ♦ Nanamarika ny 15 aogositra natokana ahatsiarovana ny nampiakarana an'i Masina Maria any an-danitra ny mpino katôlika manerantany, omaly... ♦ Handavan-taona amin'izay ny fanaovana vaksiny covid-19... 

Tsy maintsy manova famindra isika mba hitandrovana ny soa iombonana. Manoloana ireo olana lehibe miseho eo amin'ny "tranobe iombonana" dia mitaky ny fiovan-toen-tsaina azo tsapain-tanana ny fiangonana. Fomba fiaina lavitry ny fitiavan-tena sy fanamparam-pahefana ary mitsinjo mandrakariva ny any aoriana. Katesizy momba ny firotsahana amin'ny fikambanana hikatsahana ny soa iombonana, iarahana amin'i P. Ranaivozanany Tina Jeannot.

Alatsinainy 16 aogositra 2021 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 19, 16-22

Ny olona tsirairay dia sady manana zo amin'ny soa iombonana no manana adidy hampanjaka sy hikolokolo izany. Manana adidy isika hitondra ny anjara biriky amin'ny fanorenana sy fanohizana ny soa iombonana. Mila mifanome tanana ny tsirairay eo anivon'ny sehatra misy azy hanasoa ny hafa. Katesizy momba ny firotsahana amin'ny fikambanana hikatsahana ny soa iombonana, iarahana amin'i P. Ranaivozanany Tina Jeannot.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...