Ny lahy no lohan'ny vavy, tahaka an'i Jesoa Kristy lohan'ny Eglizy, izay vatana sy manana azy ho mpamonjy. Tokony ho taratra eo amin'ny fanatanterahana ny adidy sy ny fandaminana ny ao an-tokantrano izany. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Alarobia 13 oktobra 2021 — Herinandro fahavalo amby roapolo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 42-46

♦ Nidina an-dalambe nitaky ny zo hianatra ireo mpianatra ao amin'ny ENS Ampefiloha androany. Nilanja sora-baventy nanoloana ny Ministeran'ny Asa Vaventy ihany koa ireo mpandraharaha mpanao lalana tsy mbola nahazo ny volany hatramin'izao... ♦ Feno 130 taona ny Hôpitaly Miaramila eny Soaviandriana. Tsangambaton'ny taon-jobily ny fanavaozana sy ny fanitarana ny sampan-draharaha handraisana ny hamehana eny an-toerana, notokanan'ny Filoham-pirenena androany...

♦ Nisehoana fanafihana fandrobàna vola in-droa miantoana tany Andohanilakaka, tao anatin'ny iray andro... ♦ Miantso amin'ny tokony hanohizana indray ny fitsaràna momba ny famonoana ny mpitsara Rehavana Michel tany Toliara ireo mpitsara namany... ♦ Mitohy hatrany ny fitsirihana ireo fiara mpitatitra mialoha ny fiaingany eny amin'ny tobim-piantsoanana Fasan'ny karàna, hoy ny tompon'andraikitra... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...