Betsaka ankehitriny ny tanora mianatra mitia ny fahanginana sy mifandray akaiky amin'Andriamanitra. Misy andiana tanora mivory mba hitsaoka ny Sakramenta Masina na hivavaka miaraka, izay efa mivoatra tokoa. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Alarobia 4 aogositra 2021 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 15, 21-28

♦ Nanomboka androany ny fivoriana tsy ara-potoana faharoan'ny Andrim-panjakana mpanao lalana eto Madagasikara. Lahadinika miisa dimy no voafaritra anatin'ny fivoriana, isan'izany ny fandaniana ny volavolan-dalana mifehy ny famatsiam-vola sivifolo sy efajato tapitrisa dolara, avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena... ♦ Hitombo avo roa heny ny mpanjifan'ny orinasa JIRAMA ao anatin'ny dimy taona. Ny mpanjifa izay velon-taraina indray manoloana ny fidangan'ny faktioran'izy ireo tato ho ato...

♦ Mitaky ny hivoahan'ny marina momba ny raharaha fikasàna hamono ireo olom-panjakàna ambony eto amin'ny firenena ny Antenimieram-pirenena, nasongadin'ny filohany izany androany maraina... ♦ Mandrahona hampiakatra saran-dalana ireo mpitatitra amin'ny zotra nasiônaly, indrindra amin'izao fialan-tsasatra izao... ♦ Hisy fiandrasan-draharaha eny anivon'ny Ôfisin'ny bakalôrea hatramin'ny alahady izao ; lamina izy ity , mba hitsinjovana ireo mpiadina tsy nahazo taratasy fiantsoana... 

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...