Sabotsy 14 aogositra 2021 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 19, 13-15

♦ Nolanian'ireo Solombavam-bahoaka avokoa ireo volavolan-dalana dimy naroso nodinihin'izy ireo. Nifarana ny hariva teo ny fivoriana tsy ara-potoana faharoa tamin'ity taona ity, ho an'ireo Antenimiera roa tonta... ♦ Natao ankamehana ny fandinihana sy ny fandanian'ny Antenimiera mpanao lalana ny volavolan-dalana momba ny tahiry malagasy ho an'ny fampiasam-bola mahaleo tena, hoy ny fiaraha-monim-pirenena, ka tsy mankasitraka ny fanafainganana ny fandaniana izany izy ireo...

♦ Hosokafana any Roma ny 09 ôktôbra 2021 izao ny Sinaodin'ny Eveka... ♦ Nomarihana tamin'ny 6 aogositra 2021 ny faha-20 taona naha eveka an'i Mgr Gaetani Di Pierro, evekan'i Farafangana... ♦ Noraisina tamin'ny fomba ôfisialy ny 6 aogositra teo i Sr Rafaraonisoa Blandine, Malagasy voalohany voatendry ho lehiben'ny Fikambanan'ny Masera Filles de Marie Axiliatrice, eto Madagasikara...

Manjaka ny fahapotehan'ny ala ao amin'ny tandavan'alan'Angavo, noho ny fanaovana tavy sy doro ala ka hanairan'ny mpiaro ny tontolo iainana ireo tompon'andraikitra handray fepetra. Tandindomin-doza ny famokarana manoloana izany hoy Andriamatoa Rakotondrazaka Jean de Dieu, filohan'ny fikambanana FIKITAMA, FIkambanana KIadin'ny TAntsaha Mangoro. Miharitra mantsy ny renirano manondraka ny famokarana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...