Arofanina! Matoan-dahatsoratry ny Radio Don Bosco, vokarin’ny Sampana fampahalalam-baovao. Arofanina! Hitondrana ny fomba fijerin’ny Radio Don Bosco ny toe-javatra iray misy amin’ny fiaraha-monina, na amin’ny sehatra maro samihafa (sosialy, toekarena, politika, trangam-piarahamonina, kolotsaina, sns...). Mazana mantsy toa hadino na iniana takonana mihitsy izy ireny, kanefa tena ilaina ny hampahafantarana sy hampahatsiahivana azy ireny ho fantatry ny sarambabem-bahoaka. Arofanina ho fiarovana ny fahalalahana maneho hevitra sy ny demokrasia. Arofanina tsy handehanan’ny firenena amin’ny fivoizana ny vaovao tsy marina izay mamotika ilay toe-tsaina maha-malagasy manaja ny marina sy ny rariny.

  • Tombanana hikasika ny morotsiraka afovoany atsinanan'ny nosy rahampitso, ilay andro ratsy ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Mampihatra ny loza manambana miloko mavo nanomboka omaly ny faritra Ambatosoa, Analanjirofo, Atsinanana ary ny Distrikan'Antalaha...
  • Hosantarina anio ao amin'ny Faritra Alaotra Mangoro ny fizarana ny masomboly “riz hybride”, fiaraha-miasa amin'ny Governemanta Sinoa...
  • Nosakanan'ny mpitandro ny filaminana indray ny fivoriana saika notanterahan'ny Hery Politika Mitambatra (HPM), tao amin'ny Motel Anosy ny sabotsy teo. Tsy fahazoana lalana amin'ny Péfet no antony...

Ankalazaina amin'izao 03 febroary izao ny fahatsiarovana an'i Masindahy Blaise. Niaina tany amin'ny taonjato fahefatra nandritra ny fanjakan'ny Amperora Licinius i Blaise. Mpitsabo izy no voafidy ho eveka tao Sébaste tany Arménie.

Maro amintsika no mandà ny hoe hivavaka satria mitalaho sy mangataka isika, anefa toa sahala amin'ny hoe tsy henoina vavaka. Matetika dia toa zary fanafintohinana ho antsika tokoa ny tsy fahatanterahan'izany, tsara marihana anefa fa tsy fahagagana ny vavaka fa resaka ifanaovana amin'Andriamanitra ary henoiny hatrany, saingy izay tena mahasoa no tanterahiny... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...