♦ Nivoaka ny tolakandro teo ny lisitri'ireo efatra amby roapolo mirahalahy handrafitra ny ekipan'ny Barean'i Madagasikara, mandritra ny fihaonana amin'ny RDC... ♦ Nahazo fankatoavana ilay kandidà tokana amin'ny fifidianana ho filohan'ny OJM. Efa fantatra ny ho vokatra ka tsy ilaina ny fifidianana, hoy Rakotonirina Gérard... ♦ Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana sy ny fakana an-keriny any Ankazobe sy Tsaratanana...

♦ Nandray andraikitra nanao fisafoana avy hatrany, alina, ireo tompon'andraikitry ny ady amin'ny tsy fandriampahalemana, notarihan'ny ministry ny fiarovam-pirenena... ♦ Hita tany amin'ny fiolahana Sahatona-Ambohimahasoa ny nofo mangatsiakan'i Rivo kely, ilay mpamily taxi, nisy nanofa ampitaka... ♦ Mahatsiaro iharan'ny tsy rariny noho ny mbola fitanana ny fomban-drazana, tsy hampandovana ny vehivavy, ny any atsimo atsinanana ka maniry ny hanafoanana izany...

Mba hazoana antoka fa mizotra araka ny tokony ho izy ny fianaran'ny ankizy na ny zanaka dia tokony halala ny fandaharam-potoanany ny ray aman-dreny. Ilaina ny fanakaikaizana ny zanaka amin'ny alalan'ny resaka ka hatomboka amin'izay tranga nahafinaritra azy. Hadihadiana tsara ny zanaka ny amin'izay mety ho namany, sao misy zavatra fanararaotra na tokony hohatsaraina. Beazina hanana fahatokisantena ny zaza...

♦ Nojerena ny hametrahana ny paikady manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana amin'ny faritra maro eto Madagasikara, indrindra ireo amin'ny lalam-pirenena... ♦ Hametraka vahaolana maharitra, mipaka mivantana amin'ny fiainam-bahoaka ny mnisteran'ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifàna mikasika ny vidin'ny PPN... ♦ Hanatsara ny fitantanam-bolam-panjakàna ny ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola izay nihaona tamin'ny iraky ny FMI...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...