♦ Andrasana amin'ity anio ity ny tohin'ilay raharaha Apollo 21. Efa misy tonga eny amin'ny fitsarana Anosy ireo olona voarohirohy... ♦ Manahy ny mety hahafahan'ireo "Trondro vaventy" voakasiika amin'ilay vatosoa valo kaontenera ny KMF/CNOE Fanabeazana Olom-pirenena... ♦ Tsy manana mpiadina ao amin'ny sokajy OSE kosa, ny sekoly katôlika manerana ny Nosy amin'ity Baccalauréat 2021 ity...
Tamin’izany andro izany, nisy zazakely maromaro nentina teo amin’i Jesoa, mba hametrahany tanana sy hivavahany ho azy; fa noraran’ny mpianany mafy ireo. Ka hoy i Jesoa taminy: "Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an’ny tahaka azy ny fanjakan’ny lanitra." Ary rahefa nametra-tanana tamin’izy ireo Izy, dia nizo-dalana indray.
Tamin’izany andro izany, nisy Farisianina nanatona an’i Jesoa mba haka fanahy Azy, ka nanao hoe: "Mahazo misao-bady va ny lehilahy na inona na inona antony?" Dia hoy Izy namaly azy ireo: "Tsy novakianareo va fa izay nahary ny olona tamin’ny voalohany, dia nanao azy ho lahy sy vavy ary nilaza hoe: ‘Noho izany, dia hilaozan-dralehilahy ny rainy aman-dreniny ka hikambana amin’ny vadiny izy, ary ho nofo iray ihany izy roroa?’ Noho izany tsy roa intsony izy, fa nofo iray. Ka aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’ny olona." Fa hoy ireo taminy: "Ka nahoana àry i Môizy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy?" Dia hoy Izy taminy: "Ny hamafin’ny fonareo no nanomezan’i Môizy lalana anareo hisao-bady; fa hatramin’ny voalohany dia tsy mba toy izany. Koa dia lazaiko aminareo, fa izay rehetra mandroaka ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka manambady hafa, dia mpijangajanga ary izay mampakatra ny vehivavy voaroaka, dia mpijangajanga koa." Hoy ny mpianany taminy: "Raha izany no toetry ny lehilahy amin’ny vadiny, dia aleo tsy manambady." Ary hoy Izy taminy: "Tsy ny olona rehetra no mahazo izany teny izany, fa izay nomena fahasoavana ihany. Fa misy eonoka hatrany an-kibon-dreniny; misy eonoka nataon’ny olona, ary misy eonoka izay nanao ny tenany eonoka noho ny fanjakan’ny lanitra. Aoka handray izay mahay mandray."
Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa i Piera nanao hoe: "Tompoko, raha diso impiry amiko moa ny rahalahiko no tokony hamela azy aho? Hatramin’ny impito va?" Dia hoy i Jesoa taminy: "Izaho tsy milaza aminao hoe: hatramin’ny impito fa hatramin’ny impitopolo fito. Koa amin’izany ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray izay te-hamotopototra ny toe-pananany amin’ny mpanompony; ary raha vao nanomboka nanao izany izy, dia nentiny teo aminy ny anankiray izay ananany talenta iray alina. Ary noho izy tsy nanan-kaloa, dia nasain’ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany, mbamin’ny fananany rehetra, mba hanefana ny trosa. Dia niankohoka ilay mpanompo, ka nifona taminy hoe: "Mba omeo andro aho, dia haloako daholo ny anao rehetra." Nangoraka ny fon’ilay tompon’izany mpanompo izany, ka sady nandefa azy handeha no namoy ny trosa taminy.
Fa raha vao nivoaka ilay mpanompo, dia tojo itý mpanompo namany anankiray izay ananany denie zato; noraisiny tamin’ny tendany ilay io ka nokendainy nataony hoe: "Aloavy ny trosako any aminao." Niankohoka ilay namany, dia nifona taminy nanao hoe: "Mba omeo andro aho, dia haloako ny anao rehetra." Nefa tsy nety izy fa lasa nampanao azy an-tranomaizina, ambara-pandoany ny trosa. Nalahelo loatra ny mpanompo sasany nony nahita izany, ka lasa nilaza izany rehetra izany tamin’ny tompony. Dia nampanalain’ny tompony izy ka nilazany hoe: "Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko avokoa ny trosako rehetra taminao, noho ianao nifona tamiko, ka moa tsy tokony mba hamindra fo amin’ny namanao va ianao tahaka ny namindrako fo taminao?" Dia tezitra ny tompony ka natolony ny mpampijaly izy, ambara-pandoany ny trosa rehetra.
Dia ho tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo." Rahefa avy niteny izany i Jesoa dia niala tao Galilea ka tonga teny an-tsisin’i Jodea, an-dafin’i Jordany.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco