Ilaina ny fananana fahasahiana eo amin'ny fiainana. Misy fomba fiteny hoe "izay sahy maty no mifono lambamena". Mila mijoro izany isika, mila vonona ny hanao zavatra. Mila ialàna ny toe-tsaina mora kivy na koa tsy mihevitra afa-tsy ny mety ho voka-dratsiny fa mila fahatokisantena sy fanantenana. Katesizy momba ny fahasahiana, iarahana amin'i P. Jean-Luc Ratovonjanahary.

Alahady 25 jolay 2021 — Alahady fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 1-15

Ny zaza an-tsoson-koditra dia fiforonana sy fipetrahan'ny zaza ivelan'ny tranon-jaza, Mila fandraisana an-tanana aingana ny vehivavy mahazo zaza an-tsoson-koditra satria mety hafaty raha tsy voatsabo. Misy antony maromaro ny mahatonga ny zaza an-tsoson-koditra ka isan'izany ny fisian'ny tsimok'aretina ao amin'ny taovam-pananahan'ny vehivavy, olana amin'ilay fantsona mitondra ny atody ho ao amin'ny tranon-jaza, voka-dratsin'ny fifohana sigara noraisin'ilay vehivevy mitondra vohoka... 

♦ Tanterahina anio tolakandro ny lamesa ho fisaorana an'Andriamanitra sy ny fandevenana an'i mompera Rakotondrasoa Jean Timothée... ♦ Handrasana amin'ity sabotsy ity ny fehi-kevitra mikasika ilay fikaonandoha Nasiônaly nokarakarain'ny RMDM, eny amin'ny By-pass... ♦ Efa eo am-pamaranana ny dingana fitsaràna ilay fifaninanana hidirana ho amin'ny sekoli-pirenena manofana ho mpandraharahan'ny fonja ny tompon'andraikitra... 

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...