♦ Nanazava ny tsara ho fantatra momba ny paik'adim-pirenena momba ny ady amin'ny kolikoly nohatsaraina, nandritra ny filan-kevitry ny ministra natao omaly teny Iavoloha ny Filohan'ny CSI Sahondra Rabenarivo... ♦ HItohy any amin'ny Faritra Menabe ny hetsika ataon'ny RMDM na teo aza ny sakana natao azy tao Antsirabe, tamin'ny herinandro lasa teo... ♦ Nanomboka androany ary haharitra efarana ny FIM...

Isika tsirairay avy no biriky mandrafitra ny rindrin'ny tranom-pahavanonana. Aoka harisika isika hanao jeritodika ny tontolo androm-piainana ary entina ao amin'ny vavaka izay atao amin'Andriamanitra. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

♦ Nomarihana omaly, ny andro iraisam-pirenena ho an'ny demôkrasia. Ny fampiharana izany dia antoka ahatongavan'ny mpamatsy vola hoy Andrimatoa Maka Alphonse, CFM... ♦ Nomarihana omaly ny andro eran-tany hiadiana amin'ny fahasimban'ny sosona ôzôna, hiverina amin'ny laoniny ny izy io hatramin'ny taona 2050... ♦ Hita taratra ny fandrosoan'ny fandaharanasa momba ny fahasalamana antsoina hoe "ACCESS", araka ny tombana nataon'ireo tompon'andraikitra...

Voajanahary ve ny antson'Andriamanitra?. Ny lalam-piainana ho an'ny olona iray dia efa voasoritra hatramin'ny fahaterahany, fa Andriamanitra kosa dia manome fahalalahana hisafidy ho an'ny tsirairay, ka miantso ankahalalahana izy. Tsy lahatra ny antson'Andriamanitra. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...