Tamin'ny andro voalohan'ny herinandro, dia lasa marainakoa mbola maizina nankany amin'ny fasana i Maria Madelenina, ka nahita fa voaesotra tamin'ny fasana ny vato. Nijanona nitomany teo ivelan'ny fasana izy. Ary teo am-pitomaniana, dia niondrika izy ka nahita anjely roa niakanjo fotsy, nipetraka tao amin'izay nipetrahan'ny vatan'i Jesoa, ny iray teo an-doha ary ny iray teo an-tongotra. Dia hoy izy ireo taminy : "Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao?" Ka hoy izy namaly ireo : "Satria nalain'olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy". Nony avy nilaza izany izy, dia nitodika, ka nahita an'i Jesoa nitsangana teo, nefa tsy fantany hoe i Jesoa io. Ary hoy i Jesoa taminy : "Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao? Iza no tadiavinao?" Nataony ho mpiandry saha io, ka hoy izy taminy : "Raha ianao re no naka Azy, tompoko, mba atoroy ahy kely izay nametrahanao Azy, hangalako Azy". Dia hoy i Jesoa taminy : "Ry Maria!" Dia nitodika izy ka nanao taminy hoe : "Rabóný!" (Izany hoe Mpampianatra). Hoy i Jesoa taminy : "Aza mikasika Ahy, fa mbola tsy niakatra tany amin'ny Raiko Aho, fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe : Miakatra ho any amin'ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary any amin'ny Andriamanitro sy Andriamanitrareo!" Dia lasa i Maria Madelenina ka nilaza tamin'ny mpianatra hoe : "Efa nahita ny Tompo aho, ary izany no nolazainy tamiko".
I Jesoa dia nanana ny fahasahiana, araka ny voalaza amin'ny Evanjely : Nisy lehilahy iray maty tànana nositraniny tamin'ny andro sabata. Fahasahiana manao akory ny an'i Jesoa teto? fahasahiana te hanambara ny maha-Izy Azy. Katesizy momba ny fahasahiana, iarahana amin'i P. Jean-Luc Ratovonjanahary.
Alarobia 21 jolay 2021 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 1-9
Maro ny Tenin'Andriamanitra ao amin'ny Soratra Masina no mitantara ny resaka fahasahiana na ireo olona sahy nanapa-kevitra sy niroso hanatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. Ohatra vitsivitsy ireto : Eks 10,26 Mt 6,30 Rom12, 1;2. Katesizy momba ny fahasahiana, iarahana amin'i P Jean-Luc Ratovonjanahary.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco