Ny fitondrana vohoka dia tsy aretina fa kosa misy ny fiovana eo amin'ny toe-batana sy ny tsirim-panentana ao amin'ny vehivavy, izay miteraka faharefona eo aminy sy ny zaza ao am-bohoka. Tsy voatery ho sarotra ny aretina mpahazo ny vehivavy amin'ny fotoana hitondrany vohoka, saingy raha tsy voatsabo dia mety hamono hafaty. Ireo aretina mety hitranga : fahaverezan-drà betsaka, afa-jaza, zaza an-tsosokoditra, zaza voaloboka...
♦ Hanomboka amin'ny alatsinainy izao ny fanadinana BEPC manerana ny nosy. Efa vonona tanteraka ny amin'ny fampandavorariana izany ny ao amin'ny fari-piadidim-pampianarana Antananarivo-Renivohitra... ♦ Hanao angaredona amin'ny ady amin'ny kolikoly ny orinasa sy ny fikambanana ary fiangonana mivondrona ao amin'ny Hetsika Fampiraisana ny Kristiana ho an'ny Firenena... ♦ Voarafitra ny paik'ady mandritra ny 5 taona hampiroboroboana ny lalam-pihariana ronono eto Madagasikara hoy ny MDB...
♦ Mila hamafisina ny fanaraha-maso ny sisin-tany hisorohana ny fidiran'ny "variant delta" eto Madagasikaran na ny tsimok'aretina Coronavirus miova endrika hita tany Inde hoy ny Praiministra... ♦ Tafiakatra 940 ny isan'ny mararin'ny Covid-19, maty teto Madagasikara nandritra ny herintaona sy efa-bolana mahery. Nitombo 16 ny isan'ny tranga vaovao... ♦ Miray feo amin'ny vovonam-pikambanan'ny tantsaha eto Madagasikara ny MDB, Mitaky ny tsy hankatoavan'ny HCC sy ny Filohan'ny Repoblika ilay lalàna momba ny fananan-tany...
Araka ny lalànan'ny fahatongavana ho nofo dia mila olona hiara-miasa aminy Andriamanitra. Isany maha izy ny tena ny fiainam-pinoana manompo an'Andriamanitra. Olona mahatoky tsy mivadika no atao hoe manana ny maha izy azy. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco