Rehefa niantso ny Apostoly i Jesoa Kristy dia hoy izy : "manaraha ahy". Tamin'ny lalana nanarahana an'i Jesoa Kristy no nisy ny votoatin'ny antso, niantefa tamin'ireo mpanara-dia azy. Andriamanitra rehefa miantso dia izay fantany sy hitany no antsoiny , noho izany dia mila manao ezaka isika manakaiky azy. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Talata 7 septambra 2021 — Herinandro fahatelo amby roapolo mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 12-19
♦ Fotoana fidirana an-tsehatra eo amin'ny tontolon'ny pôlitika izao ho an'ireo maniry ny handray anjara amin'ny fifidianana ny taona 2023, hoy ny OHT... ♦ Niditra ny andiany fahafito indray ny disadisa eo amin'ny mpitantana ny tananan'ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Mpanolotsaina ny tanana, Clémence Raharinirina... ♦ Faritany roa, Antananarivo sy Antsiranana sisa no mbola tsy namoaka ny voka-pifidianana bakalorea...
♦ Miditra anatin'ny dingana fanarenana taorian'ny krizy ara-pahasalamana na ny Post Covid-19 i Madagasikara ankehitriny. Anatin'ny tetikasa hanomezana fahasalamana sahaza ny vahoaka dia manomboka androany ny caravane médicale andiany fahatelo... ♦ Miandry izay ho mpikambana vaovao handrafitra ny holafitra ny fanolorana solontenan'ny mpanao gazety eo amin'ny birao maharitry ny CENI... ♦ Heverina ho vita mialohan'ny faran'ny taona avokoa ireo fonja vaovao...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco