♦ Tontosa androany maraina, tety amin'ny tranon'i Don Bosco ety Ivato, ny fifanaraham-piaraha-miasa hampiroboroboana ny sehatry ny asa tanana. Nanome voninahitra izany, ny Minisitra Ramatoa Ratsiraka Sophie... ♦ Hotanterahana ny 16 ôktôbra ho avy izao ny fifidianana ireo mpikambana vaovao handrafitra ny holafitry ny mpanao gazety, eto Madagasikara...

Mampivelatra ny sain'ny tanora ny fampiasàna ny talentany, anisan'izany ny slam. Mampiroborobo ny maha-olona sy ahafahana maneho ny hevitra sy ny fahaizana amin'ny alalan'ny teny, ny soratra sy ny fikarohana. Manentana ny tanora hikaroka sy hampiasa ny talenta ao anatin'ny kolotsaina sy ny soatoavina...

Singa roa no feno rehefa misy ny fifampizarana andram-piaiana dia eo ny mpitantara sy ny mpihainoa. Miteraka zava-tsoa maro ho an'ny tsirairay ny fifampizarana. Mila fantarina anefa iza avy ireo hizarana andram-piainana. Katesizy momba ny fifampizarana andram-piainana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Zoma 3 septambra 2021 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 33-39

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...