• Misy ny akon'ny fankalazana ny fetin'i Masindahy Joany Bosco omaly 31 janoary. Nitarika ny Sorona Masina tetsy amin'ny Ekar Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely tetsy Ivato Mgr Jean de Dieu Raoelison...
  • An-jatony ireo mpanjono niandriaka ka nisedra olana noho ny toetr'andro ratsy, tany asimon'ny nosy. Nambaran'izy ireo fa tsy afa-manoatra vokatry ny fahasahiranana amin'ny fivelomana izy ireo...
  • Miisa 6 ireo mpianatra nahazo ny mari-pahaizana "Licence" ho an'ny taom-pianarana 2023-2024, mpianatra izay nisitraka ny fandaharan'asa teo amin'ny STAR sy ny Consulat an'i Monaco...
  • Miantso amin'ny hiarovana ireo mponina ao Goma indrindra ny fitondrana am-bavaka azy ireo ny Papa François...

I Masimbavy Ella no ankalazaina rehefa 01 febroary. I Masimbavy Ella dia vadin'i Guillaume Longespée, rahalahin'i Richard Cœur de Lion printsy tao Angleterre. Ella Fitzpatrick no anarany. Naditra tokoa ny vadin'i Ella, indrindra tamin'ny fanitsakitsahana azy amin'ny fiarahana amin'ny vehivavy hafa.

Ny mpivavaka marina dia tsy mba mamono ny vavaka, fa manao ny vavaka ho toy ny jiro mirehitra eny an-tanany mandrakariva, mampahatsiahy antsika ireo virijiny hendry, ary mampahatsiahy ny nanomezana ny jiro mirehitra tamin'ny andro nanaovana Batemy antsika. Samia mizatra mitodika tsy tapaka amin'Andriamanitra na amin'ny mora na amin'ny sarotra fa izany no fivavahana marina... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Manana ny anjara toerany amin’ny fihariana sy ny toekarena eny ambanivohitra ny fiompiana sy ny famokarana tantely. Manodidina 10.300 ny isan’ny mpiompy araka ny tarehimarika tamin’ny taona 2012, ary nisy zanatohatra tantely iray hetsy teo ho eo kosa nanerana an’i Madagasikara. Miovaova ny lanjan’ny vokatra nahondran’i Madagasikara.

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...