♦ Nifanatrika tamin'ny Solombavam-bahoaka tetsy amin'ny CCI Ivato ny mpikambana ao amin'ny Governemanta, notarihan'ny Praiminisitra androany. Ny momba ireo olana ara-tsôsialy no tena nangatahan'ireo depiote fa mila famahana haingana... ♦ Mitaraina ho misy mandrahona ny mpitarika ireo mpiasan'ny Paositra Malagasy izay manao fitokonana eny Antaninarenina. Mbola nitohy androany ny hetsi-pitakiana...

Nalaza tamin'ny fangalana sokatra antsokosoko tany anaty ala ary mpihinana ny henany hatramin'izay ny mponina ao amin'ny Kaominina Lazarivo, Fotadrevo, Soamanga, Anavo. Nihena ny fitrandrahana antsokosoko ny sokatra vokatry ny asa fanentanana amin'ny fiarovana ny sokatra any amin'ny faritra Atsimo-Andrefana. Hatao sakafo no antony hihazàn'ny olona ny sokatra indrindra fa amin'ny volana novambra hatramin'ny marsa... 

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Henoy àry ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny mpamafy. Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakan’Andriamanitra nefa tsy mahalala, dia avy ilay Ratsy ka manesotra izay voafafy tao am-pony: dia izany no ilay nafafy teny an-dalam-be. Ary ilay nafafy tamin’ny tany be vato no izay mandre ny teny sy mandray azy an-kafaliana miaraka amin’izay, nefa tsy miorim-paka izy ka tsy maharitra ela; fa nony misy fahoriana sy fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’izay izy. Ilay nafafy tany anaty tsilo no izay mandre ny teny fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mamono ny teny ao aminy, ka tonga tsy mamoa izy. Fa ilay nafafy tamin’ny tany lonaka kosa no izay mandre ny teny ka mahalala azy; dia mamoa, ny sasany avo zato heny, ny sasany enimpolo heny, ary ny sasany telopolo heny."

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny mpianany ka nilaza taminy hoe: "Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?" Namaly Izy ka nanao taminy hoe: "Satria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izy ireo tsy mba nomena izany. Fa izay manana dia homena ka hanam-be izy, ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hesorina aminy. Ary noho izany, dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy fa tsy mahita, ary mandre fa tsy mahazo na mahalala; ka tanteraka aminy ilay faminanian’i Izaia manao hoe: ‘Handre amin’ny sofinareo ianareo fa tsy hahalala, ary hijery amin’ny masonareo, fa tsy hahita; fa ny fon’itý vahoaka itý efa nihamafy, ny sofiny efa nihadonto, ary ny masony efa nakimpiny, sao mahita ny masony sy mandre ny sofiny, ka hahalala ny fony, dia hibebaka izy ary hositraniko.’ Fa ianareo kosa, sambatra ny masonareo fa mahita, ary ny sofinareo fa mandre. Lazaiko aminareo marina tokoa, fa maro ny mpaminany sy ny olo-marina naniry hahita ny hitanareo fa tsy nahita, ary handre ny renareo fa tsy nandre."

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...