Sabotsy 11 septambra 2021 — Herinandro fahatelo amby roapolo mandavantaona — Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 43-49

♦ Natomboka androany ny fanamboarana ny lalam-pirenena fahenina, mampitohy an'Ambanja sy Antsiranana. Nametraka ny vato fototry ny fanombohan'ny asa ny Filoham-pirenena androany... ♦ Tsy mankato ny herisetra atao amin'ny olona, amin'ny endriny rehetra, ny Fiangonana. Navoitran'ny Eveka mpanampy eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, tamin'ny famelabelaran-kevitra nataony izany, androany...

♦ "Mila ezaka ny fiainana ny voady", io no hafatra napetraky ny Lehiben'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, nandritra ny voady notononin'ireo frera 22 mirahalahy... ♦ Nandefa hafatra, manentana ny rehetra hihavana amin'ny voaary i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Ny fitoviana ao amin'i Kristy dia mandrava ny endri-pahasamihafana rehetra, hoy ny Papa François nandritra ny "Audience générale"...

Mila hamafisina ny fampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana any amin'ny Faritra atsimon'ny nosy hoy Andriamatoa Zafisolo Louis, mpiompy any amin'ny Faritra Androy raha tiana ny hamaha ny olana mahazo ny mponinia noho ny fisian'ny kere. Manana toerana manokana amin'izany ny fiompiana osy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...