Alahady 27 jona 2021 — Alahady fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 5, 21-43
Hoy vavaka nataon'ny Papa Fransoa : Ry Ray ô, ataovy miforona eo amin'ny samy mpiasa ny tena firaisankina. Enga anie izy ireo hahay mifampitsinjo, mifankahery... Nankininy manokana tamin'i Md Josefa mpiaro ny mpiasa eran-tany ny mpiasa rehetra manerana ny Nosy. Katesizy momba ny asa fivelomana, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Sabotsy 26 jona 2021 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao : Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 5-17
Fanamby ho an'ny Radio Don Bosco, hatramin'ny nisiany tamin'ny 1996, ny hiara-dia amin'ny olona amin'ny toerana rehetra misy azy. Onjam-peo naorin'ny salezianin'i Don Bosco, manana tanjona ny hitory ny Vaovao mahafaly sy hanabe ny vahoaka malagasy, indrindra ny tanora.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco