Teny roa no atambatra ny hoe " soa iombonana", maneho zavatra tsara azon'ny rehetra andraisana anjara na ampiasaina ary natao ho an'ny rehetra. Ohatra : ny arabe, ny rivotra madio, ny sekoly, ny trano fiangonana, ny hôpitaly. Hoy ny Pape Ray Masina : ny soa iombonana dia ireo noharin'Andiamanitra ka nankininy tamin'ny olombelona. Katesizy momba ny firotsahana amin'ny fikambanana hikatsahana ny soa iombonana, iarahana amin'i P. Ranaivozanany Tina Jeannot.

Alarobia 11 aogositra 2021 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 15-20

♦ Nisy nanakorontana ny "Diaben'ny Fahafahana" nankeny Iavoloha ny 10 aogositra 1991, hoy ny Profesora Ralison Roger, ka niafara tamin'ny ra mandriaka. Mbola tsy fantatra hatramin'izao ny tao ambadik'izany, hoy hatrany ity mpanao pôlitika ity... ♦ Hankatoavin'ny Filohan'ny Repoblika eny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha, rahampitso, ny rijan-teny hametrahana ny Faritra Vatovavy, ho faritra faha-23 eto Madagasikara...

♦ Hamory vahoaka eny amin'ny kianjan'i Magro Behoririka anio tolok'andro ny RMDM, hetsika hanamarihana ny faharoa taona nijoroan'ity vovonan'ny  mpanohitra ity... ♦ Hitory eny amin'ny fitsaràna ny sendikàn'ny SEFPONAM, manoloana ny fanidiana ny birao foiben'izy ireo eny Ankaraobato... ♦ Nandraisan'ny ministry ny fiarovam-pirenena fepetra ny momba ilay raharaha niitranga tany Belo sur Tsiribihina. Raharaha moa naharatràna olona noho ny korontana nataona andiana miramila...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...