♦ Ny Federasionina "Milano rika" dia ivondronan'ireo fikambanana mpanjono madinika miisa 15, izay ahitàna mpanjono miisa 700 any amin'ny tapany atsimon'i Madagasikara. Ny mpikambana sy ny vondron'olona ifotony dia vonona ny hiaro ny rika sy ny harena ao anatiny... ♦ Ny akanga : karazam-borona avy aty Afrika, misy karazany dimy manerantany fa karazany iray ihany no misy eto Madagasikara. Voasokajy ho isan'ny fianakaviambe ny antsoina hoe : "fasianides" ny akanga...
♦ Nampitomboina ny andraikitra sahanin'ny governora ary tokony omena andrakitra bebe kokoa amin'ny fanaraha-maso ny asa sy ny tetikasa tanterahana any amin'ny faritra... ♦ Misedra olana ny fiompiana landy eto amintsika. Hisy fiatraikany amin'ny lalam-pihariana ny fananganana foto-drafitr'asa ao Tsivatrinikamo, sehatra hiasan'ny foibe Fafiala... ♦ Voafidy fan-droany ho filohan'ny FJKM Andiamatoa Irako Andriamahazosoa, izay mpitandrina...
♦ Nivoaka tamin'ny fahanginany ireo mpisehatra amin'ny harena an-kibon'ny tany eto Madagasikara, manohana an'Andriamatoa Randrianasolo Brice, ho minisitra. Maro ireo sokajin'olona ho very tombon-tsoa, hoy izy ireo, manoloana ny fanendrena ka manao izay fara heriny manaratsy azy... ♦ Hanarina amin'ny fomba haingana, ireo lemaka fambolem-bary, sompitry ny vary eto Madagasikara, no isan'ny vaindohan-draharahan'ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana, vaovao, Andriamatoa Ramilison Harifidy...
Tsy niasa irery i Jesoa tamin'ny fanatanterahana ny iraka nampanaovin'ny Ray Azy, fa nanana mpiara-miasa Aminy dia ireo Mpianany roambinifolo. Isika tsirairay hatramin'ny nahavita Batemy antsika dia voaantso ho mpiara-miasa amin'Andriamanitra sy mpiara-mitory ny Vaovao Mahafaly miaraka amin'i Kristry. Mila mandrakariva ny fiaraha-miasa amintsika olombelona Andriamanitra. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco