Alakamisy 29 jolay 2021 — Masimbavy Marta — Izaho no fahazavan'izao tontolo izao, hoy ny Tompo ; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan'ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 11, 19-27
♦ Mahatratra 500 ireo fitarainana voarain'ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny zon'olombelona "CNIDH"... ♦ Ireo mbola tsy nanao vaksiny covishield no hisitraka ny vaksiny Johnson and Johnson, hoy ny ministry ny fahasalamambahoaka androany... ♦ Nampizarazara hevitra ny mpampiasa lalana kosa ny andrana ara-teknika amin'ny fandaminana ny fifamoivoizana teny Antanimena, androany...
♦ Miroso lalindalina hatrany ny fanadihadiana momba ilay raharaha voalaza fa fikasàna hamono tompon'andraiki-panjakàna ambony eto amin'ny firenena. Misy manamboninahitra Jeneraly am-perinasa ihany koa amin'izao voarohirohy... ♦ Ho voavaha ny olana amin'ny famatsian-drano amin'ireo Kaominina maromaro eny amin'ny distrika Atsimondrano, tafapetraka ny toby fanadiovana rano... ♦ Mpampianatra Fram 8 900 no ho raisina mpiasam-panjakàna. Hisy ampahany amin'ireo no ho ampidirina mialoha ny volana septambra izao...
Tsy ny mpianatra irery ihany no miaina ny vanim-potoanan'ny fanadinana fa eo koa ny raiaman-dreny sy ny mpampianatra ary ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny. Nisy fihatoana ny fampianarana nandritra ny fotoana nahamafy ny hamehana ara-pahasalamana, fa fanararaotra ireny nanaovana tombana ny zava-bita sy naminavinana ny ho avy. Ny tanora dia mila manao ezaka amin'ny lafiny rehetra, ohatra ara-batana, ara-tsaina, ary arahina vavaka mba hiatrehana am-pitoniana ny fanadinana...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco