Tamin’i Jesoa sy ny mpianany mbamin’ny vahoaka betsaka niala tao Jerikao, dia nipetraka nangataka teo amoron-dalana i Bartime jamba zanak’i Time. Nony reny fa hoe i Jesoa Nazareanina izay, dia rafitra niantso izy nanao hoe: "Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko." Ary maro no nandrahona azy mafy mba hampangina azy, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe: "Ry Zanak’i Davida ô, mamindra fo amiko." Dia nijanona i Jesoa, ka nampiantso azy. Ary nantsoin’ny olona izy sy nilazany hoe: "Matokia! mitsangàna, fa antsoiny ianao." Dia nariany ny lambany, ka niezaka nanatona an’i Jesoa izy. Ary hoy i Jesoa taminy: "Inona no tianao hataoko aminao?" Dia hoy ilay jamba: "Rabony ô, aoka mba hahiratra aho." Ary hoy i Jesoa: "Mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao." Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy, ka nanaraka Azy teny an-dalana.
Tamin’izany andro izany, nony teny an-dalana ho any Jerosalema ny mpianatra, dia i Jesoa no loha lalana, ka sady gaga ny mpianany no natahotra teny am-panarahana Azy. Dia nalainy indray ny roa ambin’ny folo lahy ka nilazany ny hanjò Azy: "Indro fa miakatra ho any Jerosalema isika, ary ny Zanak’Olona dia hatolotra amin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hohelohina ho faty ka hatolony amin’ny jentily; dia hoesoiny, hororany, hokapohiny, ary hovonoiny, fa hitsangana indray amin’ny andro fahatelo." Ary nanatona Azy i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede ka nanao hoe: "Ry Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay hangatahanay aminao." Ary hoy Izy: "Inona no tianareo hataoko aminareo?" Dia hoy ireo: "Aoka ny anankiray aminay mba hipetraka eo ankavananao, ary ny anankiray eo ankavianao any amin’ny voninahitrao." Ary hoy i Jesoa taminy: "Tsy fantatrareo izay angatahinareo; moa mahasotro ny kapoaka izay hosotroiko va ianareo, na mahazaka ny batemy izay hanaovana batemy Ahy?" Hoy ireo taminy: "Zakanay." Fa hoy kosa i Jesoa: "Raha ny kapoaka hosotroiko, dia hosotroinareo ihany tokoa, ary ny batemy hanaovana batemy Ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa; fa raha ny hipetraka eo ankavanako sy ny ankaviako kosa dia tsy ahy ny hanome izany, fa ho an’izay nanamboarana azy ihany izany." Nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin’i Jakôba sy i Joany; fa nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nilazany hoe: "Fantatrareo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao, dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy, ary ny lehibe no miseho ho mpifehy manam-pahefana. Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany; fa izay te-ho lehibe indrindra no aoka ho mpanompo anareo, ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho mpanomponareo rehetra. Fa ny Zanak’Olona tsy mba tonga hotompoina fa mba hanompo, ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro."
Tamin’izany andro izany, i Piera nanao tamin’i Jesoa hoe: "Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao." Dia hoy ny navalin’i Jesoa azy: "Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely, ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin’itý fiainana itý, dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, tany, na dia ao anatin’ny fanenjehana aza, ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy. Fa maro amin’izay farany no ho voalohany, ary amin’izay voalohany no ho farany."
Ary nitsangana teo akaikin'ny hazo fijalian'i Jesoa ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, dia Maria vadin'i Kleofasy, ary Maria Madelena. Nony hitan'i Jesoa ny reniny sy ilay mpianany malalany nitsangana teo akaikiny, dia hoy izy tamin-dreniny: Ravehivavy, indro ny zanakao. Ary hoy koa izy tamin'ilay mpianatra: Indro ny reninao. Ka hatramin'izay dia noraisin'ilay mpianatra ho any aminy izy. Nony afaka izany, dia fantatr'i Jesoa fa efa tanteraka ny zavatra rehetra, ka hoy izy mba hahatanteraka ny Soratra Masina: Mangetaheta aho. Ary nisy bakoly feno vinaingitra kosa teo, ka nalaina ny sponjy novontosana vinaingitra, sy notohizana tamin'ny hazo hisopy, dia natohoka teo am-bavany. Vao nanandrana ny vinaingitra izy dia nanao hoe: Tanteraka ny zavatra rehetra. Dia nanondrika ny lohany izy ka niala aina.
Ary andro fiomanana tamin'izay, ka nangataka tamin'i Pilaty ny Jody mba hotapahina ny ranjon'izy ireo, dia hoesorina, mba tsy hisy faty mihantona amin'ny hazo fijaliana amin'ny andro sabata (fa andro lehibe izany sabata izany). Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon'ny voalohany sy ny an'ilay anankiray niara-nofantsihana taminy koa; fa nony nankeo amin'i Jesoa izy ireo, dia hitany fa efa maty sahady izy, ka tsy mba notapahiny ny ranjony. Fa nolefonin'ny miaramila anankiray kosa ny lanivoany, ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin'izay.
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco