♦ Andrasan'ny maro rahampitso ny mety ho fanazavàn'ny filoham-pirenena momba ny toe-draharaha eto amin'ny firenena. Eo ny mety hiresahana ilay raharaha "Apollo 21" fa indrindra koa ny momba ny vidin'ny PPN... ♦ Nampiaka-peo ireo tompon'andraikitra ambony, manoloana ny fitakian'ireo Parlemantera amin'ny tokony hanafoanana ny zandarimariam-pirenena... ♦ Miantso ny ministra mpiahy, manoloana ny raharaha any amin'ny faritra Ihorombe, mangataka ny hijerena ilay kariera Ambinda sy Ilakaka, ny olomboafidy avy any an-toerana... 

♦ Nolavin'ny fitsaràna ny fangatahan'ny sasany tamin'ireo olona voarohirohy amin'ny raharaha "Apollo 21"-ny hahazo fahafahana vonjimaika... ♦ Nolanian'ireo solombavambahoaka omaly ny volavolan-dalàna nankatoavana ilay fampidramam-bola mifandraika amin'ny tetik'asa fananganana orinasa na PAIFS... ♦ Nijoro eto Madagasikara ny ivontoerana hanaraha-maso ny fampiasàna akora simika na ny CHEMOBS. Efa miasa ihany koa ny Officier de Police Judiciaire mampanaja ny fepetra momba izany...

Ny finamanana sy ny fifangaroana anatin'ny vondrona, misy rafitra tsara na ivelany, matetika, dia manampy hanamafy ny fahaizana eo amin'ny fiaraha-monina sy ny fifandraisana amin'ny tontolo misy. Tsy mandefa antsika irery Andriamanitra rehefa maniraka antsika noho izany tsy mety ny manilika ny hafa, natao ifameno isika. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Sabotsy 7 aogositra 2021 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjinako ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 17, 14-20

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...