♦ Tsy ekena intsony ny gaboraraka amin'ny fivezivezen'ny harena ankibon'ny tany tsy ara-dalana, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, raha nihaona tamin'ny mpiasa teo anivon'ny minisitera misahana izany izy omaly... ♦ Nankasitrahan'ny vondron'ny mpitatitra eto Madagasikara, ny fisarahan'ny Minisiteran'ny fitaterana amin'ny minisitera hafa...
Rehefa misy ny disadisa eo amin'ny fiaraha-monina dia ilaina ny fivoriana sy ny fanaovana jery todika mba hahitana ny marimaritra iraisana. Tsara indrindra raha atao mitovy tantana ny olona reheta miara-miasa fa tsy asiana tombo sy hala. Tsy vita mora anefa izany fa mila faharetana, fiafiana sy fampijalian-tena. Ialàna anefa ny fifampitsabahana andraikitra. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
Talata 24 aogositra 2021 — Masindahy Bartelemia, Apôstôly — Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, ianao no Mpanjakan’i Israely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 45-51
♦ Voavaha amin'ny ampahany ny olan'ireo mpiasan'ny Aviation Civile de Madagascar, izay saika hiroso tamin'ny fitokonana fanairana androany. Hahazo ny karama roa volana tsy voaloa sy hatramin'ny faran'ny taona, izy ireo... ♦ Ny Praminisitra no hitantana vonjimaika ny Minisiteran'ny Herana ankibon'ny tany, manomboka androany. Fitantanana vonjimaika, tao aorian'ny fametraham-pialan'ny Minisitra vao notendrena, ny alakamisy teo...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco