♦ Tontosa ny fitsidihana pastôraly nataon'i Mgr Benjamin Marc Ramaroson, tao amin'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Nijoro ny Birao Mpandrindra ny FIFAKRI ao amin'ny Diôsezin'i Mananjary... ♦ Hotanterahina any Toliara ny 14 hatramin'ny 16 septambra 2021 ny filan-kevitra nasiônalin'ny Ekipan'ny Raozery... ♦ Manampy amin'ny fanohanana ireo traboina noho ny horohorontany ny Caritas ao Haïti...
♦ Hiakatra fitsarana anio ny raharaha nanaovana filan-dratsy tamin'ny ankizivavy kely mirahavavy teny Andraondrikely Ivato. Maniry ny tsy hanamaivanana ity raharaha ity sy ny hanasaziana ny nahavanon-doza, araka ny rariny sy ny hitsiny ny fianakaviana... ♦ Andrasana ny fanapahana manamarina ny fahabangan-toerana eny amin'ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimieran-doholona, fanamarihana avy amin'ny HCC, vao afaka manendry ny solontenan'ireo parlemantera lasa minisitra...
♦ Mitohy ny hamehana ara-pahasalamana eto Madagasikara, ato anatin'ny dimy ambin'ny folo andro... ♦ Dimy amby telopolo taona izao no nisian'ny Vondon-kery misahana ny filaminana sy ny vonjy taitra manokana, eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena. Notanterahina tety amin'ny ivotoerany tety Ivato ny fanamarihana izany...
Miankina amin'ny tsirairay no mampisy io fiaraha-miasa amin'ny hafa io ; noho izay dia samy tompon'andraikitra ny rehetra. Voalohany dia ilaina ny fifankatiavana sy ny fifanajàna eo amin'ny samy mpiara-miasa, ary ao anatin'izany ny fifampitokisana. Faharoa fitadiavana ny marimaritra iraisana. Raha samy tsy mifampihaino sy samy miziriziry amin'ny heviny ny tsirairay mety ho potika ny fiaraha-miasa. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco