Araka ny lalànan'ny fahatongavana ho nofo dia mila olona hiara-miasa aminy Andriamanitra. Isany maha izy ny tena ny fiainam-pinoana manompo an'Andriamanitra. Olona mahatoky tsy mivadika no atao hoe manana ny maha izy azy. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
♦ Nanome toromarika amin'ny hanamafisana ny fanaraha-maso ny sisin-tany ny Praiminisitra androany. Toromarika ho fisorohana ny fahatongavan'ilay Coronavirus mahery vaika "Variant Delta" eto amintsika... ♦ Nihena 34% ny halatr'omby teto Madagasikara, tao anatin'ny enim-bolana voalohan'ity taona ity. Zandary fito no matin'ny dahalo mitam-piadiana hatramin'ny volana jona teo, raha ny tatitry ny Zandarimariam-pirenena, androany...
♦ Nanentana ny Salezianin'i Don Bosco hanana faharetana ombam-panetren-tena amin'ny fanompoana ny tanora i Mgr Rosario Vella, tamin'ny fanokafana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Salezianin'i Don Bosco teto Madagasikara, ny alarobia lasa teo... ♦ Voatendry ho Visiteur provincial an'ny fikambanana Congrégation de la Mission (Lazarista) eto Madagasikara i Mompera Farasely Gaston...
Ketsa saraka, nahatratra 15 taonina mahery ny vokabarin'i Jeneraly Rabemanantsoa Robert tamin'ny fampiasàna azy. Manamboninahitra ambony misotro ronono nanana andraikitra ambony tao amin'ny tafika malagasy tamin'ny fotoan'andro. Liana amin'ny voly vary.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco