Alahady 9 mey 2021 — Alahady fahenina fankalazana ny Paka — Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina no aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 9-17
Ny Takilodrano dia aretina azo avy amin'ny katsentsitra, kankana antsoina hoe "Kankan-dio" (Schistosoma). Misy karazany telo ny kankan-dio eto Madagasikara dia ny Schistosma mansoni, izay mahatonga ny Takilodrano mpahavoa ny tsinay ; ny Schistosoma haematobium izay mahatonga ny Takilodrano mpahavoa ny tatavia na ny taovam-pananahana ; ary ny Schistoma intercalatum izay mahatonga ny Takilodrano mpahavoa ny tsinaim-body na ny taovam-pananahana. Eny amin'ny ranomamy miandrona na mikoriana miadana no ahitana io katsentsitra io. Monina ao amin'ny sifotra izy avy eo mifindra amin'ny olona.
Sabotsy 8 mey 2021 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 18-21
♦ Nihemotra ho rahampitso ny fahatongavan'ireo daozim-bakisiny andiany voalohany, hiadiana amin'ny Coronavirus eto amintsika. Vakisiny 250.000 no tokony ho tonga amin'izao andiany voalohany izao... ♦ Efa nihoatra ny 700 nanomboka androany ireo matin'ny valanaretina Covid-19 eto Madagasikara. Niampy 304 ihany koa ireo tranga vaovao hita tamin'ireo fitiliana, raha ny antontan'isa nivoaka androany...
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco