♦ Nitrangàna lozam-pifamoivoizana namoizana ain'olona indray tany amin'ny Lalam-pirenena voalohany tany Miarinarivo omaly maraina : olona 4 no maty 7 naratra... ♦ Mbola mitohy ny fitokonan'ireo mpiasan'ny paositra malagasy. Milaza ny vonona hihaona amin'ny Ministra tompon'andraikitra izy ireo... ♦ Ho foanana tsikelikely ny fampiasàna mercure amin'ny fitrandrahana volamena eto Madagasikara, noho ny voka-dratsy ara-pahasalamana sy tontolo iainana aterak'izany... 

Ny fanahy dia ilay fahaiza-miaina sy toetra tsara ananana. Efatra ireo hatsaram-panahy fototra dia ny fahamalinana, ny fahamarinana, ny faherezana ary ny fahalalana onona. Manana ny maha izy azy ny olona rehefa tomady sy mahira-tsaina, mahery fo sy tsara fanahy. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomantsoa Jean Louis.

Talata 13 jolay 2021 — Herinandro fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 20-24

♦ Olona 04 maty ary 07 naratra mafy, androany, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Ambohimitarona-Miarinarivo... ♦ Niatrika fanadinana bakalôrea katôlika nanomboka androany ary haharitra efarana ireo sekoly katôlika avy amin'ny diôsezy 14... ♦ Naneho ny fahavononany hidinika saingy mbola nametraka fepetra ireo mpiasan'ny paositra malagasy izay mbola nanohy ny fitokonana androany...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...