Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Mino an’Andriamanitra ianareo, ka minoa Ahy koa. Misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raiko; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha Aho hanamboatra fitoerana ho anareo, ary rahefa lasa Aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo, dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko, dia izay itoerako no hitoeranareo koa. Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin’izay alehako." Dia hoy i Tomà taminy: "Tsy fantatray izay alehanao, Tompoko, ka ahoana no ahafantaranay ny lalana?" Ary hoy i Jesoa taminy: "Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako."
Tamin’izany andro izany, nony efa voasasan’i Jesoa ny tongotry ny mpianany, dia hoy Izy tamin’izy ireo: "Lazaiko marina dia marina aminareo: Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony; na ny iraka tsy ambony noho izay naniraka azy. Raha fantatrareo izany, dia ho sambatra ianareo raha manao izany.
Tsy ianareo rehetra no antsoiko (fantatro izay nofidîko); fa mba ho tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: Izay miara-mihinana mofo amiko no hanainga ny ombalahin-tongony hamely Ahy.
Ilazako izany ianareo ankehitriny dieny mbola tsy tanteraka izany, mba hinoanareo rahefa tanteraka fa Izaho no Izy. Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mandray izay hirahiko, dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy, dia mandray izay naniraka Ahy."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanambara hoe: "Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa izay naniraka Ahy; ary izay mahita Ahy, dia mahita izay naniraka Ahy. Tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana Aho, mba tsy hitoetra ao anatin’ny maizina izay rehetra mino Ahy.
Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina azy, dia tsy mitsara azy Aho; satria tsy hitsara izao tontolo izao no nahatongavako fa hamonjy azy.
Izay manamavo Ahy ka tsy mandray ny teniko, misy izay hitsara azy: dia ny teny voalazako no hitsara azy amin’ny farandro, satria tsy niteny ho Ahy Aho, fa ny Ray izay naniraka Ahy no nandidy izay tsy maintsy holazaiko sy hampianariko. Ary fantatro fa ny didiny no fiainana mandrakizay. Koa ny zavatra lazaiko àry, dia lazaiko araka ny voalazan’ny Ray tamiko."
Tamin’izany andro izany, dia tonga ny fetin’ny Fitokanana tany Jerosalema, sady ririnina ny andro, ary i Jesoa nitsangantsangana tao an-tempoly tao amin’ny lavarangan’i Salômôna. Dia nitangoronan’ny Jody Izy ka nilazany hoe: "Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Ianao no Kristy, mba lazao tsotra aminay."
Dia hoy i Jesoa namaly azy: "Efa nilaza taminareo Aho, fa tsy mino ianareo; manambara Ahy koa ny asa ataoko amin’ny Anaran’ny Raiko; fa tsy mino ianareo satria tsy mba isan’ny ondriko. Ny ondriko mihaino ny feoko. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy; omeko ny fiainana mandrakizay izy ka tsy ho very na oviana, na oviana ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako. Izay nomen’ny Ray Ahy dia lehibe noho izao rehetra izao, ka tsy misy maharombaka eo an-tanan’ny Ray. Izaho sy ny Ray dia iray ihany."
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco