♦ Olana goavana ho an'ny mponina any amin'ny faritra Anôsy ny fiparitahan'ny rara-pasika ka nahatonga ny olona hifindra-monina. Ny CRS no isan'ireo nitondra vahaolana amin'ny fambolana hazo ho fiarovana ny rara-pasika tsy hanototra ny tanàna sy ny fambolena...  ♦ Ny fandrefiala mena dia hita any amin'ny faritra Ambositra, Ranomafana Vohibe sy ny manodidina. Mavitrika amin'ny alina ary mpihanika hazo ny fandrefiala mena, ny lohany dia lehibe noho ny hatokany... 

♦ Mitohy ny fialantsasatry ny Paka ho an'ny fianarana any amin'ireo Sekoly sy ny Oniversite rehetra manerana ny Nosy. Mitsahatra ny tsena lehibe isan-kerinandro ao an-drenivohitra... ♦ Vonona hifanolo-tanana amin'ny fitondram-panjakàna sy ny vahoaka malagasy tsy ankanavaka handresena ny Coronavirus ny mpikaroka Rafanomezantsoa Zaraniaina Christian. Malagasy mpikaroka nanambara fa nahita ny fanafody anasitranana ny VIH Sida am-polotaonany lasa izay... 

Ny fahafantarana ny tenanao no tena antoka voalohany indrindra amin' ny fahatokisana ny tena. (14-04-2021)

♦ Hihemotra amin'ny faha-31 Mey ho avy izao ny fidirana ho an'ny telo volana famaranana anivon'ny oniversite katôlika eto Madagasikara na UCM raha tokony ho ny 19 Avrily izao... ♦ Tsy vahaolana intsony ny mbola hampihatoana ny fampianarana hoy ny talen-ny DINEC. Azo atao tsara ny mampihatra ny fepera ara-pahasalamana ho an'ny sekoly hoy izy... ♦ Mitombo hatrany ny isan'ny tranga vaovao mitndra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara, tafakatra 583 ka ny 445 amin'ireo teto amin'ny faritra Analamanga avokoa... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...