Nanatsara ny famokarana Zezika kankana nofotorany nandritra ny taona maro Andriamatoa Ranaivoarisoa Basile, fantatry ny maro amin'ny solon'anarana Papa Bio...
♦ Efa manomboka mandray karama ireo mpiasa amin'ny Oniversite izay nahavita ny "digitalisation", isan'izany ny any Fianarantsoa, ary efa tonga any Mahajanga ihany koa ny taratasim-bolan'ireo mpandraharaha sy ny mpiasan'ny Oniversite... ♦ Hahemotra ho amin'ny fotoana mbola tsy voafaritra indray ny fifaninana hidirana ho mpianatra ao amin'ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpitsara sy Mpiraki-draharaha, eny Tsaralalana na ny ENMG...
Mampirindra ny tokantrano ny fahaiza-miaina sy mitia eo amin'ny mpivady. Silam-panahy ny vady ary olona tiana no sady tia. Ireto avy ny zava-dehibe tsara ho fantatra ao anatin'izany : fitiavana, fifankahalalana tanteraka, fifanankalozan-kevitra, fifampitokisana, finoana...
Ny fifandraisana eo amin'ny fianakaviana no rohy maha mpihavana. Manana ny lanjany ny fihavanana ary notandroina fatratra teo amin'ny Malagasy. Ny fihavanana dia nahafahana nandrindra fiaraha-monina sy disadisa, ambony lavitra noho ny vola sy ny voninahitra. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco