Talata 22 jona 2021 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantsaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana, ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 6. 12-14

♦ Afaka noho ny fisalasalana androany i Clémence Raharinirina, tao aorian'ny fiakarany teny amin'ny PAC... ♦ Tsy tafahaona mivantana tamin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny androany, ireo fikambanana sy antoko pôlitika mitaky ny Nosy malagasy. Soso-kevitra naroso'izy ireo ny mba hanoloran'ny fanjakana vahaolana azo tsapain-tanana...

♦ Mitetinta 76 000 000 Euros ny tetik'asa fanatsarana ny fitsinjarana rano ho an'Antananarivo renivohitra sy ny manodidina, hiarahan'ny orinasa Jirama amin'ireo mpiara-miombon'antoka avy any ivelany... ♦ Tafiditra anatin'ny fankalazan'ny polisim-pirenena eto amintsika ny faha-60 taona nisiany, ny fandraisan'anjaran'izy ireo amin'ny matso hatao etsy Mahamasina... ♦ Tanora malagasy miisa 11 sy kaomaoriana miisa 03 no voafanina hisitraka ny vatsim-piofanana "Mandela Washington Fellowship 2021... 

♦ Ho ahena ho lasa 340Ariary/kwh ny vidin-jiron'ny Jirama, ka ho atao mitovy avokoa izany manerana ny nosy, manomboka amin'ity volana jona ity... ♦ Manaraka ny fenitra takiana iraisam-pirenena eo amin'ny sehatry ny asa vaventy ny lalana eny amin'ny Rocade-Est sy Rocade-Nord-Est izay mirefy 7km mahery... ♦ Andrasana ny fahalanian'ny volavolan-dalàna mihefy ny satan'ny mpanakanto eto Madagasikara, ho fanatsaràna ny fari-piainan'izy ireo amin'ny ankapobeny...  

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...