♦ Tontosa omaly ny fanamasinana sy ny fametrahana an'i Mgr Gabriel Randrianantenaina ho Evekan'i Tsiroanomandidy... ♦ Mitohy mandritra ny 15 andro indray ny amehana ara-pahasalamana, hoenjanina ny fampanarahana ny fepetra ara-pahasalamana tsy hiparitahan'ny valan'aretina... ♦ Ho tanterahana manomboka anio ka haharitra 04 andro ny fanadinana bakalôrea katôlika. Diôsezy 14 amin'ireo 21 manerana ny nosy no vonona hiatrika izany amin'ity taona ity...
Fo : efitra anatiny indrindra amin'ny olombelona, mirakitra tsiambaratelo, foiben'ny fanapahan-kevitra. Ao no mitoetra ny hetsika rehetra na ny fitiavana na fankahalana, hafaliana na alahelo, famindram-po na lolom-po. Mila tezaina ny fo fa antoky ny fiainana maha olona. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Alatsinainy 12 jolay 2021 — Herinandro fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 34 — 11, 1
Saina : tsorina amin'ny hoe fahaizana mandinika, fahaizana mijery ambony sy lavitra, mahatakatra zavatra. Ho fampivelarana ny saina dia maro ny taranja vaovao ho an'izay afaka manohy fianarana. Tsy misaraka ny fahaiza-mandinika, ny fahaiza-miaina ary ny fahaiza-manao. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco