Sabotsy 5 jona 2021 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Misaotra Anao aho, ry Raiko, tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 38-44

♦ Notsipahan'ny RMDM ilay lalàna vaovao mifehy ny mpanohitra vao nolanian'ny Parlemanta farany teo. Nanao fanambarana teny Bel-Air izy ireo androany, nilaza fa tsy manaraka ny voalazan'ny Lalam-panorenana io lalàna io... ♦ Nisokatra manomboka androany ny fitaterana olona amin'ny zotra nasiônaly sy zotram-paritra. Nananika ny 5000 isa ireo mpandeha niainga ho an'ny teny amin'ny Gare Maki Andohatapenaka fotsiny...

Manome ohatra maro ho antsika ny fiainan'ny olomasina, izay hanentanana antsika ny hanahaka azy ireny. Noho izany, dia tsy maintsy mamantatra ny momba ny hatsaram-panahin'izy ireo isika mba hahafahantsika maka tahaka azy sy mitia azy manokana.

Zary faneken'Andriamanitra azy ny faneken"i Md Josefa an'Andriamanitra. Nanaiky ny hanabe ny Zanak'Andriamanitra izy, ary nankato azy tao amin'ny ankohonany io Zanak'Andriamanitra io.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...