♦ Natomboka omaly ny fanaovanam-baksiny Covid-19 ho an'ny andian-taona manaraka afaka misitraka izany,ato amin'ny faritra Analamanga, dia ireo maherin'ny 60 taona... ♦ Hofidian'ireo solombavambahoaka amin'ny 26 Mey izao ny filohan'ny vaomiera miandraikitra ny fandinihana ireo fangatahana fampiatoana ny fitanana am-ponja ny solombavambahoaka... ♦ Judo Afrikana : Andriamatoa Siteny Andrianasoloniaiko no lany ho filohan'ny UAJ... 

Alarobia 19 mey 2021 — Cher Frère Raphaël-Louis Rafiringa, Olontsambatra — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 25-30

♦ Natomboka androany ny andian-taona manaraka afaka misitraka ny vakisinin'ny Covid-19 eto amin'ny Faritra Analamanga, dia ireo zokiolona maherin'ny 60 taona... ♦ Ny 94,66%-n'ireo olona mararin'ny Covid-19 no efa sitrana teto Madagasikara. Ny 1,73% kosa no namoy ny ainy, araka ny antontan'isa nivoaka androany...

♦ Ahitàna filaharam-ben'ireo manan-draharaha nanomboka omaly eny amin'ny fitsaràna Anosy, taorian'ny fiverenan'ny asa ao amin'ny sampana firaiketan-draharaha... ♦ Nankatoavin'ny HCC ho mifanaraka amin'ny Lalam-panorenana ilay tolo-pehin-kevitra momba ny fitsipika anatiny manokana ampiharina eo anivon'ny Antenimieram-pirenena... ♦ kajikajy politika sy fanitsakitsahana lalam-panorenana ny mbola nanolorana tolo-dalàna vaovao mifehy ny mpanohitra... 

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...