♦ Mbola mikatona ny Faritra Analamanga, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony ary Anosy. Mitohy kosa ny fihibohana ny sabotsy alahady ho an'ny distrika efatra eto Analamanga... ♦ Fivoaran'ny valanaretina Covid-19, ny sabotsy 15 mey lasa teo : Tranga vaovao mitondra ny tsimokaretina, 136 tamin'ny filiana 907 natao ; 150 ireo sitrana ary 9 ireo lavon'ny aretina...

Alatsinainy 17 mey 2021 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 29-33

Alahady 16 mey 2021 — Alahady fahafito fankalazana ny Paka — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 11b-19

Aretina mbola misy eto Madagasikara ny tazomoka ary mbola mamono olona maro manerana izao tontolo izao. Ny tazomoka dia aretina afindran'ny kaikitry ny moka amin'ny olombelona. Ilay moka antsoina hoe "anophèle" no mamindra azy. Miteraka fanaviana ny tazomoka, nefa tsy misy hanavahana io fanaviana io amin'ny aretina hafa, noho izany ny fanaovana fitiliana ihany no ahafantarana na voan'ny tazomoka na tsia ny olona iray.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...