Antsoina hoe "Renin'Andriamanitra" i Masina Maria satria niteraka ny zanak'Andriamanitra ho olombelona, ho ety ambonin'ny tany. Isan'ny vahoakan'Andriamanitra mila famonjena ihany koa i Masina Maria reniny. "Theotokos" dia hanondroana an'i Masina Maria, atao hoe "Renin'Andriamanitra", zava-boahary niteraka ny zanak'Andriamanitra, Andriaminitra sady olombelona i Jesoa... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

• Niantso ny Interpol sy ny FBI ary ny Aviation Civile iraisam-pirenena ny fanjakana malagasy, noho ny raharaha Boeing mitondra laharana malagasy any Iran. Nanazava ny momba izay ny Praiminisitra androany... • Mety hanova ny fanapahan-kevitr'Andriamatoa Donald Trump momba an'i Madagasikara ity raharaha fiaramanidina tafiditra any Iran ity, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena iray. Nambarany fa asa 7 alina farafahakeliny no mety ho very eto Madagasikara anatin'ny AGOA... • Handray ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika amin'ny taranja Karate i Madagasikara amin'ny taona 2026. Nampahafantatra izany ny Filohan'ny Federasiona androany, tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato...

♦ Nesorina tamin'ny toerany ny Ministry ny Fitanterana sy ny Famantarana ny Toetry ny andro, Ramonjavelo Valéry, nandritra ny filan-kevitry ny ministra manokana notanterahina omaly talata 29 jolay... ♦ Voasambotry ny mpitandro filaminana tao Toliara ny mpitarika ny Antoko Otrikafo Elia Rabevahiny, ny antoko izay avy namoaka fanambarana omaly talata milaza ho manahy amin'ny mety hisian'ny ra mandriaka ateraky ny fananganana fikambanana VOROMAHERY... ♦ Herinandro ho an'ny indostria eo anivon'ny SADC taona 2025 : Miondrana any amin'ireo firenena ivelan'ny rafitra avokoa ny 80% ny vokatra tokony hiodina eo anivon'ny SADC...

Jesoa Kristy dia olona iray, tonga teny tonga nofo, manana fomba roa satria sady tena Andriamanitra no tena olombelona ihany koa. Ny anjara asan'i Masina Maria manoloana ny tantaram-pamonjena dia mazava araka ny foto-pampianaran'ny Eglizy araka ireo lova-panahy voatahiry, miainga amin'ny Testamenta Taloha... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...