Olombelona isika ka mety ho tojo tsy fahasalamana koa mila fifanohanana sy fankaherezana amin'ny lafiny maro, ara-tsaina, ara-batana ary ara-panahy amin'ireo olona akaiky antsika mba hampahomby ny fitsaboana hahatonga fahasitranana... 

♦ 46 taona omaly ny namonoana ny Colonel Ratsimandrava. Fakan-tahaka ny Colonel Ratsimandrava, hoy ny Praiministra Ntsay Christian, raha nitarika ny hetsika ho fahatsiarovana izany omaly... ♦ Nanamafy ny fitoriana nataon'ny fanjakana Malagasy ilay orinasa any Dubai, nilaza ho tompon'ny volamena 73,5kg, ny Ministry ny Fitsarana...

Zoma 12 febroary 2021 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 31-37

♦ Vatobe dimy ambin'ny folo, milanja 10 hatramin'ny 80 taonina, ao Antananarivo Renivohitra, no ahiana hianjera. Nametrahana saina mena tamin'ny toerana misy ireo vatobe ireo, toy ny teny Tsimialonjafy sy Ampamarinana, androany... ♦ Nijoro androany ny Tanora-RMDM, miantso ireo tanora tonga saina hitsangana, manoloana ny raharaham-pirenena sy ny ambaran'izy ireo fa tsy fahombiazam-pitantanan'ny fitondrana ankehitriny...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...