Namoy ny ainy ny mpianatra iray tany amin'ny Oniversiten'i Toamasina, nandritra ny fifandonan'ireo mpianatra nanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro ny filaminana, omaly. Efa tamin'ny volana jolay tamin'ny taon-dasa anefa no naloan'ny fitondram-panjakana ny vatsim-pianarana, ary voarain'ny Filohan'ny Oniversiten'i Toamasina sy Antsiranana izany...

Zoma 19 febroary — Zoma manaraka ny lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 14-15

Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia nentin’ny Fanahy ho any an’efitra, ka nitoetra tany efapolo andro dia nalain’i Satana fanahy sy niara-nitoetra tamin’ny bibidia, ary ny Anjely nanompo Azy. Ary rahefa natao an-tranomaizina i Joany, dia nankany Galilea i Jesoa nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ka nanao hoe: "Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra; mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely".

♦ Fisoroana ny Covid-19 : Hankalazaina isam-paritra ny andron'nty vehivavy 8 marsa amin'ity taona ity... ♦ Manambana hanao fitokonana ny mpisera-dia amin'ny fizahan-tany ao amin'ny faritr'i Vakinakaratra manoloana ny olana sedrain'izy ireo... ♦ Tokony hajaina ny soatoavina maha malagasy manoloana ny tsy fitovian-kevitra miseho lany amin'izao  hoy ny CFM... 

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...