Alahady 4 aprily 2021 – Fankalazana ny Paka. Nitsanganan'i Jesoa tamin'ny maty – Efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika ao amin’ny Tompo – Evanjely Masina nosoraran'i Masindahy Joany 20, 1-9
♦ Mbola marefo ny fampiharan'ny Malagasy ireo fepetra ara-pahasalamana isorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina coronavirus, araka ny fanadihadiana nataon'ny INSTAT... ♦ Mila atao lalàna velona eto amin'ny firenena ny fanajàna ny fepetra sakana hoy ny RSD... ♦ Nandray fepetra ny ankamaroan'ireo faritra manoloana ny fankalazàna ny fetin'ny Paka...
♦ Hiverina hitafa amin'ny vahoaka Malagasy indray anio amin'ny 08 ora alina ny filohan'ny repoblika Rajoelina Andry... ♦ Mavesatra hatrany ny antontanisa mivoaka momba ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara. 11 ireo maty raha ny tatitra nivoaka omaly... ♦ Misedra olana ny fanabeazana any Taolagnaro : Heritaona tsy nandray karama ny mpampianatra Fram, misy ihany ka ny famindran-toerana tsy ara-drariny...
Sabotsy 3 aprily 2021 — Sabotsy masina — Derao ny Tompo fa tsara : Eny, mandrakizay ny fitiavany! Valion’i Israely manontolo : Eny, mandrakizay ny fitiavany... — Evanjely Masina nosotaran'i Masindahy Marka 16, 1-8
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco