♦ Misy manodikodina ireo fanampian'ny omen'ny fitondram-panjakàna an'ireo kere any atsimon'ny nosy hoy ny filohan'ny CFM... ♦ Mbola afaka manarina ny lesoka amin'ny fambolem-bary noho ny fahataran'ny rotsak'orana ireo tantsaha... ♦ Namerina ny antso avo nataony mba hanatanterahana ara-drariny ny vaksiny hisorohana ny Covid-19 i Vatican... 

Sabotsy 23 janoary 2021 — Herinandro faharoa mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 20-21

Maherin'ny 3600 ny traboina, iray no namoy ny ainy. Ny sekoly sy ny lalana ary ny tranom-panjakana no tena nahasimbana, vokatry ny fandalovan'ilay rivodoza Eloïse farany teo. Faritra fito no tena voakasika mivantana teto amintsika, fa Analanjorofo sy Boeny no tena voa mafy, raha ny tatitry ny BNGRC, io tolakandro io...

Noresahina nandritra ny diniky ny Mpamokatra nokarakarain'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasionaly teny Nanisana tao Antananarivo renivohitra tamin'ity volana janoary ity ny momba ny fiovaovan'ny toetr'andro... 

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...