Tamin'ny 24 marsa 2021 no andro maneran-tany hiadiana amin'ny raboka. Ity farany dia aretina mifindra amin'ny alalan'ny piti-drora avy amin'ny olona mitondra ny otrik'aretina. Ny fambara mety hiseho dia koho-davareny mandritra ny roa herinandro, mihamahia, misy hafanana, misy rehoka fa tsy maintsy manao fitiliana mba hamatarana ny tena aretina marina sao fambaran'aretina hafa mihitsy...
♦ Mahazo laka indray ny tsy fandriampahalemana any amin'ny faritra Atsimo-Antsinanana, ahitàna izany ihany koa any Bongolava... ♦ Miandry ireo anarana 03 avy amin'ny filohan'ny repoblika sisa dia ho feno ireo mpikambana 09 handrafitra ny HCC... ♦ Efa miomana amin'ny fanetsehana ireo Docteurs miaramila ny ministeran'ny fiarovam-pirenena ankehitriny manoloana ny firongatry ny coronavirus...
♦ Tafakatra any amin'ny Can i Côte d'Ivoire. Miankina amin'ireo lalao roa atao ny Talata izao ny ho avin'i Barean'i Madagasikara... ♦ Efa mandinika ny fanampiana ireo sehatra tsy miankina ny fitondrampanjakàna, hoy ny Praiministra Ntsay Christian na dia tsy hampihatra ny fihobohana aza i Madagasikara... ♦ Naneho ny fahavononany hatao vaksiny koa ireo mpanohitra ary miandry fatratra ny fahatongavan'izany...
Sabotsy 27 marsa 2021 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 11, 45-56
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco